Niteraka fanehoan-kevitra maro ilay didim-pitsarana nivoaka tao Arivonimamo momba ilay raharaha famonoana olona 3 mianaka, dia mpivady vao erotrerony sy ny zanany vavikely ny faran’ny volana aogositra 2018. Malahelo mafy aho, hoy i Mika.
Ho afa-maina fotsiny ve ny mpanao ratsy ? Marihina fa ity tovolahikely ity sisa no hany velona tamin'izy 4 mianaka kely tao an-tokantrano, fa izy 3 mianaka dia ny ray aman-dreniny sy anabavikeliny novetavetaina sy novoina tamin'ny fomba feno habibiana. Olona iray ihany no nigadra mandra-pahafaty, ireo namany kosa afaka noho ny fisalasalana. Manana ny fahalalahany sy ny fomba fiasany ny mpitsara. Ny rehetra nahare ny vaovao dia mitovy fomba fijery avokoa fa tena tsy rariny kosa, ary vao mainka nanamafy an’izany taorian’ny fanehoan-kevitra mampihetsi-po nataon’i Mika, izay latsa-dranomaso manoloana ny fahatsapan’ity akanga sisa nanamborana tamin’izy efatra mianaka kely ity ny endrika toa fanamaivanana ny vono olona mahatsiravina nahazo ny ray aman-dreniny sy ny anabavikeliny. Tetsy an-kilany, nisy omaly ny karazam-panazavana niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera nataon’olona nitonona ho rahalahin’ilay nidoboka am-ponja, izay niaro tamin’ilay resaka ra tratra tamin’ny fanamian’io sy ny tokony hijerena ny ADN noho ilay resaka fanolanana. « Voarakitra fa niantso an'itompokolahy izy ny alin'ny nahafaty azy telo mianaka, ary tao anatin'ny resaka dia nitaky vola 70.000Ar izy satria nisy fahoriana hafa nilany vola. Etsy an-daniny anefa, misy resaka vola mifampiditra an-tapitrisany raha tsy ana miliara akory ary amin'i Tompokolahy sy mpandraharaha iray ao Imerintsiatosika, izay iray tamin'ireo voampanga ny zanany. Mbola nivoaka tamin'ny fitsarana omaly ary misy resaka fampirafesana koa izay amin'ny Tompokovavy sy ny zanaka lahy iray hafa an'io Mpandraharaha io ihany », hoy ilay hafatra niparitaka. Ny vavolombelona 15 nilaza ho tsy nisy hambara. Sarotra ny raharaha satria ny maty tsy afaka ny hiteny intsony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.