Nahitana vono olona nahatsiravina indray teny Ambohitsoa ny sabotsy teo izay mbola vehivavy ihany. Tokony ho 17 taona eo ho eo izy io, efa nitangoronan’ny lalitra.
Olona sendra nandalo no nahita ny razana ka nampandre avy hatrany ny fianakaviany izay monina eny an-toerana ihany. Raha ny nambaran’ireto farany dia ny zoma maraina teo no efa niala tao an-tranony ity tovovavy kely ity ary tsy niverina nody intsony. Niparitaka nitady ny rehetra noho izany kinanjo ny vatana mangatsiakany sisa no hita. Nototoina tamin’ny vato mantsy ny lohany rehefa avy naolana izy. Mbola hita teo akaikin’ny razana ny atin’akanjony. Tsy teo amin’ny arabe intsony moa no nahitana ny razana fa efa nakisak’ireo nahavanon-doza tanaty kizokizo kely. Tokony ho mailo hatrany ny rehetra manoloana izany, ny fetin’ny paska rahateo efa manakaiky. Tsiahivina fa lasa tena faritra mena ahitana vono olona hatrany Ambohitsoa sy Androndrakely tato ho ato koa hiantsoana ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.