Mivoatra ny raharaha mikasika ny fahafatesan’ireo tanora teratany Frantsay miisa 2, nisy namono tao Sainte Marie ny alahady 21 aogositra teo.
Afakomaly talata dia nametraka fitoriana any amin’ny Fitsarana ny ray aman-drenin’ilay tovovavy vao 22 taona Magalie Chaigneu, iray tamin’ireo maty. Nanapa-kevitra ny hampanao fanadihadiana mikasika ity raharaha ity ny Fitsarana sy ny polisy Frantsay raha ny vaovao nivoaka tao amin’ny fahitalavitra any Frantsa Europe 1 omaly alarobia. Handefa polisy manokana hanampy ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana Malagasy ihany koa izy ireo izay toa midika fa tsy matoky ny mpanao fanadihadiana sy ny Fitsarana Malagasy ny Frantsay. Hatramin’ny alahady lasa teo dia efa mahatratra 7 ireo olona nosamborina ka tovolahy teratany frantsay ny iray, izay voalaza fa sakaizan’ilay tovovavy namoy ny ainy ity teo aloha. Nilaza ny Jeneraly Paza Didier Gérard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fanadihadiana mikasika ity vono olona ity. Efa lasa raharaha iraisam-pirenena ity toe-javatra ity ankehitriny ka andrasana ny fivoarany. Raha ny vaovao farany azo dia hisy ny diabe am-pahanginana miala eo amin’ny Hotely Soanamba mihazo ny toerana nahitana ny razana anio amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ao Sainte-Marie.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.