Actualités

Vono olona tao Sainte-Marie Ho avy ireo mpanao fanadihadiana frantsay


  • Talata 11 Oktobra 2016

Mivoatra miandalana ny fanadihadiana manodidina ilay vono olona nitranga tao Sainte-Marie ny alin’ny sabotsy 20 hifoha ny 21 aogositra 2016, ka nahafatesana tanora teratany frantsay roa, lahy 25 taona sy vavy 23 taona, samy mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny fiarovana biby an-dranomasina.



Ho avy amin’ity herinandro ity ireo mpanao fanadihadiana avy any Frantsa sy La Réunion, hitondra ny ampahany voalohan’ny vokatry ny fitiliana siantifika, nangatahan’ny Tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny Tribonaly ambaratonga voalohany Toamasina izay misahana ny fanadihadiana, tamin’ny Frantsay.

Olona dimy no tazomina am-ponja vonjimaika ao Toamasina, voarohirohy amin’io vono olona io. Nisy mpanjono telo lahy ihany koa vao nosamborina tany Sainte-Marie, noho izy ireo fantatra fa teo amin’ny toerana taloha kelin’ny nahitana ny razana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT