Actualités

Vono olona tany Mananjary Tany tsy misy fanjakana intsony ?


  • Alarobia 02 Novambra 2016

Niteraka resabe ny fandoran’ny olona velona ilay ramatoa iray antsoina hoe Ratsaramandimby Lucette, voalaza fa iraka avy amin’ny fiangonana zandriny iray eny Ampasika, Antananarivo ka nanota fady tao amin’ny doany Valamena Satrokefa tamin’ny alalan’ny fanipazana henan-kisoa ny alahady 30 oktobra 2016 teo.

 

 Tsy nisy resaka elabe na fanadihadiana fanampiny natao fa tonga dia vono sy daroka niafara tamin’ny fandorana velona ka nahafaty azy no nahazo ity ramatoa ity. Nanana fotoana ela nahafahana nanao izany tamim-pilaminana ireo andian’olona tao Mananjary nentin-katezerana sy hafanam-po. Fa mba taiza kosa ary ny mpitandro ny filaminana ? Omaly talata 1 novambra, izany hoe roa andro taorian’io tranga io, tsy mbola nandrenesam-peo ny fitondrana foibe. Ny fantatra dia nanao fivoriana ireo Ampanjaka sy solontenam-panjakana ary ny zanaky ny tranobe tao Mananjary. Tsy maintsy hatao ny fombafomba ho fitanan-kasina ny tanànan'i Mananjary ka hisy ny fivorian'ireo Ampanjaka rehetra ao an-tanàna sy ny manodidina ny 10 novambra ho avy izao. Firenena manana didy aman-dalàna mazava mihatra i Madagasikara. Anisan’ny nanasonia ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty ny firenena Malagasy saingy izao iaraha-mahita izao fa zary lasa fomba amam-panao amina faritra maro eto ny fitsaram-bahoaka sy famonoan’olona ataon’olon-tsotra ary mitazam-potsiny ny mpitandro ny filaminana sy ny solontenam-panjakana. Tsy fahaiza-miasa ve sa efa tena tsy mahafehy ny firenena intsony ny mpitondra eto ?

 Tsy hay moa na fifanandrifian-javatra fa ny ampitson’iny ihany dia may ny tanàna tao Mananjary ka trano 100 tafo no voalaza fa lasa lavenona izay tsy mbola fantatra mazava ny tena antony. Fahapotehana tsy roa aman-tany no nihatra tamin’ny vahoaka sy ny tanàna satria nijoalajoala mihitsy ny afo ny alin’ny alatsinainy teo.


Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT