Actualités

Vono olona mahatsiravina Notetitetehana ilay tovovavy, nesorina ny taovany


  • Alarobia 10 Febroary 2016

Tranga nampihoron-koditra ny mponin’i Toamasina no hitan’ireo mponina tao Salazamay atsimo manakaiky ny fiangonana Fjkm ny marainan’ny talata tokony tamin’ny 5ora.

 

 Tovovavy novonoina sy nozarazaraina ary niparitaka tao ambony bozaka no hita tao.

 

Raha ny filazan’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga, dia notetitetehana toy ny famonoana biby amidy an-tsena sanatria ilay tovovavy manodidina ny 26 taona. Nisaraka tamin’ny vatany izay tsy nahitana ireo taova tao anatiny, ny tongony sy ny tanany izay mbola nokapakapaina, ary ny lohany izay efa tsy nahitana voa-maso sy lela ihany koa. Noho ity vono olona mahatsiravina niseho ity, dia niparitaka avy hatrany tamin’ireo fokontany manodidina sy eran’ny tanàna tao Toamasina ny resaka halatra taova, izay efa re teto Antananarivo sy nampisahotaka ny tao Fianarantsoa, izay niteraka fitebitebena teo amin’ireo tovovavy sy ny ray aman-dreniny. Nambaran’ny mpitandro ny filaminana misahana ny heloka be vava nijery ny razana niparitaka voazarazara, sy ny mpitsabo eo anivon’ny kaominin’i Toamasina, fa tsy teo amin’ity faritra nahitana azy ity no namonoana sy nizarazarana ilay tovovavy. Tsy nahitana ra mantsy ny manodidina. Nolazain’izy ireo ihany koa fa mbola notehirizina tanaty na vata fampangatsiahana, na trano mangatsiaka, ny vatan’ilay tovovavy nozarazaraina ity talohan’izao nanipazana azy izao, satria mbola nangatsiaka be ny razana hita tamin’izay. Haverin’ny mpitandro ny filaminana izany fa notaterina tamina moto na fiara ny razana. Natambatambatry ny mpitsabo mba hanamora ny fitaterana azy sy hamantarana izay fianakaviany. Nentina eo anivon’ny tranom-patin’ny hopitalibe ny razana hiandrasana izay havany na fianakaviany na izay vady aman-janany nanomboka omaly maraina.

 

Rakoutou

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT