Niteraka resabe ilay vono olona niseho tany Andapa ny faran’ny herinandro teo. Raha tsiahivina,
novonoin’ny zokiny tamin’ny fikapana antsy lava teo imason’ny vahoaka sy ny polisy sy ny zandary ary ny lehiben’ny distrika ny rahalahiny, izay nahavita nandoro ny tranony. Raha ny vaovao avy any an-toerana, ny fiandohan’ny herinandro teo dia navela hikarakara sy handevina ny fatin’io rahalahiny novonoiny io ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza ary nentin’ny mpitandro ny filaminana rehefa vita ny fandevenana. Vaovao hafa kosa anefa no re avy any an-toerana omaly fa nanjavona sy tsy hita popoka io lehilahy io. Rehefa somebiseby nikarakara ny razana ny rehetra, dia nandositra izy raha ny fampitam-baovao. Mahavalalanina mihitsy ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana nandritra ity zava-doza mahatsiravina niseho tany an-toerana ity. Ankoatra ny tsy nahasakanana ny famonoan’olona ankitsirano dia niseho indray ny antsirambina fanindroany. Mbola hiala bala sy hanadio tena ihany ve sa mba hiaiky ny fahadisoana amin’izay ? Aiza ho aiza ny tompon’andraikitra ambony misahana ny fitandroana ny filaminana ? Sa tsy adidiny ? Efa tsy voafehy intsony ny vono olona sy fitsaram-bahoaka eto amin’ny firenena. Miraviravy tanana anefa ny fanjakana. Efa voasokajy ho fanjakan’ny ra mandriaka sy ny korontana anefa ity fitondrana ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.