Nivarahontsana ny fokonolona tao amin’ny fokotany Antanifotsy Ambatondrazaka raha nahita razana nivalampatra tsy dia lavitra ny toerana filanonana iray omaly 5 novambra maraina
Ankizy mirahavavy tokony ho 10 taona sy 7 taona no teo akaikiny. Rehefa nametrahana fanontanina izy ireo dia nilaza fa nisy telo lahy nidaroka ny reniny tamin’ny alina. Tsy fantatra hatreto ireo tsy matahotody nahavanon-doza. Omaly maraina ihany dia efa nanatanteraka ny asany ny mpîtandro ny filaminana. Omaly maraina ihany koa dia efa nalain’ny fianakaviana ny razana. Olona roa sahady izany izao no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao anatin’ny telo herinandro. Mila jerena akaiky, araka izany, ny tontolon’ny fandriampahalemana any Alaotra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.