Mahavalalanina ny zava-misy eto amin’ny firenena. Mbola tany misy lalàna ve eto Madagasikara sa efa tena fanjakan-jiolahy mihitsy no mihatra sy tiana hampiharina eto ?
Toy ny mampirisika ny olona hanaotao foana ny fihetsiky ny mpitondra, izay hita ho miraviravy tanana manoloana ny zava-doza mitranga eny amin’ny fiarahamonina, raha tsy hilaza afatsy ny fitsaram-bahoaka sy ny endrika fandatsahan’aina samihafa. Lasa resabe indray ilay vono olona imasom-bahoaka notazanim-potsiny tany Andapa ny alahady lasa teo. Fandatsahana ain’olona ankitsirano eo imason’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana roa tonta dia ny polisy sy ny zandary miampy solontenam-panjakana tamin’ny alalan’ny lehiben’ny distrika, kanefa dia toy ny mijery fampisehoana fotsiny ny zandary. Fanazavana mifantoka amin’ny tena zava-niseho no ezahina haparitaka, ka hilazana fa tsy fitsaram-bahoaka no nisy fa adin’ny mpirahalahy nifamaly faty. Tsy any ny adihevitra ary toa fanarontsaronana ny fialana andraikitra sy fanadiovan-tena no tian-katao. Tsy mba misy ny fiaikena ampahibemaso fa tsy nahavita ny adidy tokony hataony ny mpitandro ny filaminana, ka nahatonga iny zava-doza iny hitranga. Vao ny 29 martsa no nanao kabary fananarana ny rehetra ny minisitry ny fiarovam-pirenena jeneraly Béni Xavier Rasolofonirina. Nananatra ny zandary mba hitandrina sy ho mailo ary hahay mandray andraikitra, hahatonga ny zandary ho filamatra ny jeneraly Paza Didier Gérard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny faran’ny herinandro. Ny lehibe mihitsy no efa tsy misy mpanaraka ny baikony sa ny zandary mihitsy no efa tsy mahalala ny tokony hataony ? Hifampiaro indray izany ny mpitandro filaminana fa tsy hisy ny fandraisan’andraikitra, ka hisian’ny fanasaziana ireo mpitandro filaminana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.