Actualités

Vondrona VMSA Fa taiza tamin’ny 2009 ?


  • Alatsinainy 20 Oktobra 2014

Rakotra ireo mersenera politika ny haino aman-jery teto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo, mamono afo manoloana ny hatezeran’ny mpomba ny filoha Marc Ravalomanana taorian’ny nisamboran’ny Fanjakana ity farany,

ka nanagadrana azy any Antsiranana. Mikambana ao anatin’izany vondrona VMSA izany izy ireo ary milaza ho mijoro hiaro ny safidim-bahoaka sy ara-dalàna. F’angaha tsy vitan’ny foloalindahy izany ? Anisan’ny iraka tanterahin’ny foloalindahy anie ny hiaro ny andrimpanjakana sy ny ara-dalàna e ! Sa efa tsy atokisana intsony izy ireo no mamorona vondrona ivelan’ny fanjakana indray ? Ary mba taiza moa ireto milaza fa hijoro hiaro ny safidim-bahoaka ireto tamin’ny 2009 ? Izany anie no fototry ny olana tsy mety mivaha mandrak’ankehitriny io e : ny fanosihosena ny safidim-bahoaka noho ny fanonganam-panjakana. Sa fivoizana resa-piaviana sy foko araka ny litania ataon-dry Voninahitsy Jean Eugène ity ambara fa fiarovana ny safidim-bahoaka sy ny ara-dalàna dradraina sy andaniam-bola itetezana faritra ataon’izy ireo tato ho ato io ka ilazana fa korontanin’ny Merina ny fanjakana ka mila mijoro ny Tanindrana ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT