Actualités

Vondrona Vidy Varotra Lakilen’ny fahombiazana ny fiaraha-mientana


  • Alatsinainy 10 Febroary 2020

Toy ny fanaony isan-taona dia nifampirary soa sy nifampitaona teny amin’ny Espace Ravaka Tanjombato afak’omaly sabotsy ny

 

 

 

 

fianakaviamben’ny vondrona Vidy Varotra noho ny taona vaovao 2020. Saika tazana teny an-toerana avokoa ireo mpanao gazety  manodina ireo gazety malaza efatra misy eto an-drenivohitra toy  ny gazety Jejoo, ny Tia Tanindrazana, ny Job, ny Vidy Varotra, notarihin’ny mpitarika isanisany raha teo ihany koa ny sampandraharaha  mikarakara  ny resaka ara-barotra….notarihin’ny filoha tale jeneraly mivady sy ny zanany Atoa Tahiana Razafinjoelina, izay nanafatra ireo mpiara-miasa fa zava-dehibe ny fiaraha-mientana sy fifanampiana amin’ny fanatrarana ny tanjona napetraka. Ankoatra ny fiaraha-misakafo dia nisy ny lalao nifaninanan’ny samy mpiasa izay nahazoana loka avokoa raha tsy latsa-danja tamin’izany ny fanaovana zumba sy ny fanaovana karaoke izay tena nahaliana ny maro. Narahina fanolorana fanomezana ho an’ny filoha mpanorina ny orinasa sy ny vady aman-janany izany izay mbola nanamafy hatrany ny fahavononany hanohana sy hanampy ny mpiara-miasa ; nankasitrahana ihany koa ireo mpiasa mendrika nandritra ny taona 2019. Anisan’ireo orinasan-gazety lehibe sy manana ny maha izy azy eto Madagasikara ny Vondrona Vidy Varotra izay ahitana ny gazety Vidy Varotra, Job, Jejoo, Tia Tanindrazana, Top Radio 102.8 FM…Mametraka ho laharam-pahamehana ny fanabeazana ary mahitsy amin’ny filazana ny zava-misy eo amin’ny fiainam-pirenena ; mihevitra ihany koa fa mila sahy mandray an-tanana ny fiainany sy ny ho aviny ny Malagasy.

.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT