Actualités

VONDRONA STAR Handray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena


  • Zoma 25 Novambra 2016

Handray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena ny vondrona Star

. Anisan’ny antony nanosika azy ireo hanohana amim-pomba ôfisialy ilay  hetsika « Salon de l’Industrie de Madagascar » andiany fahatelo tanterahina eny Tanjombato nanomboka omaly izany hahafahana mampiroborobo ny orinasa  Malagasy rehetra. Nisy ny latabatra boribory  niarahan’Andriamatoa Emmanuel de Tailly, tale jeneralin’ny vondrona Star niaraka tamin’ny sendikan’ny indostria omaly teny an-toerana. « Indostria, avokavoky ny fampandrosoana » no lohahevitra novoaboasana nahafahan’ny roa tonta nijery paikady  hahafahana mampivelatra  ny indostria eto amintsika  entina hanaingana  ny toekarem-pirenena. Tsiahivina fa manana mpiara-miasa manodidina ny 2.000 isa ny orinasa Star ankehitriny  ka ny 99 %-n’ireo dia teratany Malagasy avokoa. Miara-miasa amina tantsaha manodidina ny 20.000 ihany koa izy ireo, toy ny ao Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, ary DIANA. Malagasy avokoa no mampidi-bola ho azy ireo izay mahatratra hatrany amin’ny 14 miliara Ariary  isan-taona.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT