Nivoaka ny didim-pitondrana fa natao andro hiasana ho an’ny rehetra ny 11 desambra fahatsiarovana ny repoblika fahefatra.
Nisy kosa ny hetsika notanterahin’ny avy eo anivon’ny tarik’I Andry Rajoelina omaly teny Ambodivona foibe toeran’ny TGV . Nomarihan’ireto farany fa raha tsy nisy ny repoblika fahefatra dia tsy filoham-pirenena Atoa Rajaonarimampianina. Mahagaga, hoy izy ireo, fa ny lalàmpanorenana izay nofidiana tamin’ny taona 2010 no nentina nanatanteraka ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Raha tsy hankasitrahan’ny mpitondra amin’izao fotoana io lalàmpanorenana io dia tsy tokony ho filoha Atoa Rajaonarimampianina satria manitsaka ny lalàna velona, hoy hatrany ny mpomba an-dRajoelina. Mahakasika ny fampihavanam-pirenena dia nilaza ireto farany fa raha mbola misy ny olona tsy madio fo dia tsy ho tanteraka izany. Na eo aza anefa izany rehetra izany dia somary mbola gaga ihany ny maro satria tsy mbola nisy ny filazana tamin’ny fomba ofisialy nataon’ny ankolafy Rajoelina fa mpanohitra ny fitondrana izy ireo. Araka izany dia mihevitra ny rehetra fa sao dia manao sinema indray Rajoelina sy Rajaonarimampianina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.