Actualités

Vondrona Eoropeanina Manery mafy ny fanjakana


  • Zoma 18 Martsa 2016

Vonona hanampy hatrany an’i Madagasikara ny vondrona eoropeanina, hoy Atoa Antonio Sanchez Benedito-Gaspar,

 

 fa kosa tsara kokoa ny ahitany vahaolana mahomby sy maharitra fa tsy miaina amin’ny fanampiana vonjitaitra foana. Notsindrian’ity masoivohon’ny vondrona eoropeanina ity manokana moa ny fahasahiranana any amin’ny faritra atsimon’ny nosy noho ny kere sy olana ara-tsakafo ary tsy fahampian’ny angovo.

Ny omaly tsy niova

Noresahana lalindalina kokoa nandritra ny dinika teo amin’ny fitondram-panjakana sy ny vondrona eoropeanina natao tany Taolagnaro omaly ny momba ny toe-draharaha politika eto Madagasikara, ny fanamafisana orina ny fanjakana tan-dalàna, ny zon’olombelona, ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, ny fitsinjaram-pahefana, ny fifampiraharahana amin’ny FMI sy ny fiomanana amin’ny fivoriamben’ny mpamatsy vola an’i Madagasikara hatao any Paris. Nifantohan’ny adihevitra koa ny ady amin’ny kolikoly, ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, ny fiaraha-miasan’ny vondrona eoropeanina sy i Madagasikara amin’ny alalan’ny FED-11 … Amin’ny ankapobeny dia ny omaly tsy niova ny resaka, mitaky am-panajana sy ara-pomba diplaomatika ny hanarahan’i Madagasikara ireo fepetra napetrany aloha ny vondrona eoropeanina izay vao dinihana ny fanomezana famatsiam-bola mafonja. Efa noresahana nandritra ny « dialogue politique » roa voalohany ireo lohahevitra rehetra ireo saingy mbola nodinihana lalina ihany omaly satria maivamaivana ihany ny ezaka vita mba tsy ilazana hoe tsy nisy. Nanamarika ny fotoana omaly ankoatra ity fivoriana ity moa ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo Rio tinto QMM sy ireo  kaominina telo iasan'ity tetikasa ity, ny faritra ary ireo vondron'olona eny ifotony sy ny fitondrana malagasy. Fitokanana ny tranon'ny oniversitem-paritra (IST) Anosy ao Ambinanibe, fitokanana ihany koa ny « panneaux solaires »  ao amin'ny kaominina Mahatalaky. Mampalahelo no sady mahamenatra moa fa dia nitranga indray ny fomba fiasa mampirisika ny kolikoly tany Tolagnaro io omaly io satria fantatra fa notambazana vola 4 alina ariary isaky ny fokontany ireo olona nantsoina nitsena ny filoham-pirenena. Asa raha mahafantatra izany ingahy filoha na tsia.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT