Actualités

Vondrona Eoropeanina-Madagasikara Tetikasa goavana no hatao amin’ny 2019


  • Sabotsy 15 Desambra 2018

2 109,7 tapitrisa euros ny fitambaran` ny volan`ny Vondrona oropeanina tao anatin`ny tahiry eoropeanina momba ny fampandrosoana (FED) hatramin`izay nentina nanatsarana ny politika, ny toekarena ary ny sosialy ka hitohy ao anatin`ny dinika politika hatramin`ny taona 2020.

 Nanomboka ny taona 1958 no soniavina voalohany ny fifandraisana ara-diplomatika ary ny fanampiana ny tanora Malagasy teo amin`ny lafiny fampandrosoana sy ny maha olona no tena nanorenana ny fiaraha miasa teo ampiandohana. Ho amin`ny taona ho avy, hivelatra amin`ny lafin`ny fotodrafitrasa, angovo, ny lalana ary ny fahasalamana ny fiarahamiasa amin`ny Vondrona Eoropeana amin`ny taona 2019 hoy Rivo Rakotovao nandritra ny fanikafana ny fankalazana ny faha 60 taonan`ny fiarahamiasa ara-diplomatika teo amin`i Madagasikara sy ny vondrona eoropeanina tetsy amin`ny ministeran`ny raharaham-bahiny omaly. Araka izany, hanomboka amin`ny taona 2019 ny fanamboarana ny lalana mampitohy an`I Ambanja sy Antsiranana izay iarahana amin`ny Vondrona Eoropeanina. Lalan-drà ny firenena mba hahazaon`ny tantsaha tombony ny lalana, hoy ny Filoham-panjakana Rivo Rakotovao, satria raha ratsy ny lalana dia lavitry ny tsena ny tantsaha. Ilaina tokoa izany satria tsy afaka mifaninana ny vokatra eto amintsika. Isan`ny manana tsena lehibe ihany koa ny Vondrona Eoropeanina satria firenena 28 no mandrafitra azy amin`izao fotoana izao. Raha ny fiaraha-miasa tamin`ny Vondrona Eoropeanina dia nivelatra teo amin`ny politika, toekarena, fampandrosoana, siansa, kolontsaina ary nymahaolona izany. Marihana fa sehetra telo no nanaovana sonia fifanarahana miasa tamin`ny vondrona Eoropeanina ka isan`izany ny Accord de Cotonou, fifanarahana mpiara-miasa ara-toekarena, ary fifanarahana mpiara-miasa mahakasika ny jono.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT