Samy nitondra faisana amin’ny tondra-drano nateraky ny andro ratsy sy ny rivodoza i Madagasikara,
Malawi ary Mozambika. Ho an’i Madagasikara fotsiny dia tafakatra 74 no namoy ny ainy ary 19.829 ireo traboina vokatry ny fandalovan’ilay rivodoza Chedza. Noho ireo tranga ireo dia nanapa-kevitra ny Vaomiera Eoropeanina fa hanome 9 miliara Ariary (3 tapitrisa euros) hanampiana ireo firenena telo ireo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.