Tsy vitan’ny mahantra intsony ny Malagasy fa tena mijaly sy ory, hoy ny Vondron’Olon-Tsotra nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny «Etoile Rouge» Ampasika omaly.
Taonan’ny fahasarotana sy ny gaboraraka ary fivarotan-tanindrazana ihany koa ity 2015 madiva hivalona ity, hoy ihany ny fikambanana. Midradradradra tany tan-dalàna sy fitantanana mahomby etsy sy eroa ny mpitondra fanjakana saingy mitombo hatrany ny hantsana mampisaraka ny vahoaka mahantra fadiranovana sy ireo manam-pahefana mpanefoefo mpikarama an’ady miaraka amin’ireo vahiny mpanambola. Mampihatra ara-bakiteny ny politikan’ny mpanjanaka fotsiny ny mpitondra fanjakana ankehitriny ka na mifamono amin’ny endrika samihafa ny samy Malagasy na mamoy aina tsy fidiny noho ny tsy fihariana tsizarizary. Tsy afaka ny hifety am-pilaminana toy ny isan-taona intsony ny vahoaka Malagasy satria tsy misy ny hoenti-manana amin’izany no manjaka tanteraka ny tsy fandriampahalemana. Efa miakatra rahateo ny maripana manerana ny Nosy noho ny tsy fahazakana ny zava-misy intsony ary hipoaka ho azy ny sarom-bilany raha izao no mitohy, araka ny fanamarihan’ny filohan’ny VOT Ravaonirina Sarah Zoé.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.