Amiko ny zava-misy dia matetika tsy voadinika tsara ireo lalŕna mahakasika ny vahoaka madinika tahaka ny fampiasa harona “sachet”, hoy Atoa Rasolonjatovo Honoré na i Papa Solo filohan’ny vondron’ny mpamongady eto amintsika.
Tokony hisy aloha ny fampianarana tsy hiparitahan’izy io fa ahodina zavatra hafa. Izao endriny izao, raha ny fahitako azy tompon’andraikitra eo amin’ny sehatry ny vondron’ny mpamongady, dia tsy mety aloha ny fampiharana ny lalàna mikasika ny fandrarana ny fampiasana ny harona “sachet” io eto amintsika satria ny vahoaka madinika no tena mampiasa azy ireny eo amin’ny fiainana andavanandro ka tena sahirana ny mpanjifa fa raha soloina harona taratasy dia tsy mahatanty hamandoana ireny nefa ny “sachet” azony hitondrana laoka na vary masaka, hitondrany kafe sns… ka misy misy ny fanaovana an-kilabao ny madinika satria misy ihany ny “sachet” sasany mbola azo ampiasaina. Tokony hisy ny fampiantsoana ny rehetra hiaraka hidinika ny mety hatao ka antsoina amin’izany ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, ny mpandraharaha mpanodina sy mpanamboatra ireny fitaovana ireny, ny tompon’andraiki-panjakana … dia ho hita eo izay mety hatao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.