Actualités

Volavolan-dalŕna mifehy ny serasera Hodinihana eny Tsimbazaza amin’izay


  • Alakamisy 14 Aprily 2016

Omaly no notanterahana ny filankevitry ny minisitra farany ho an’ireo mpikambana tao amin’ny governemanta Ravelonarivo, niara-nitarika ny fivoriana teny Iavoloha ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra vaovao Solonandrasana Mahafaly Olivier.

 

Nisongadina nandritra ny fivoriana ny fanambaran’ny filohan’ny repoblika fa laharam-pahamehana amin’ireo volavon-dalàna hatolotra hodinihana sy holanian’ny antenimieram-pirenena ny lalàna mifehy ny serasera na « code de la communication ». Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana orina ny demokrasia ny fananana tontolon’ny asa fanaovan-gazety matotra sy mirindra tsara, hoy ny filoha. Ela ny ela fa dia hodinihana ihany ny volavolan-dalàna hifehy ny asa fanaovan-gazety sy ny tontolon’ny serasera amin’ny ankapobeny eto Madagasikara ity. Mazava ny resaka eto fa tsy maintsy ho tonga eny Tsimbazaza amin’ny fiandohan’ny volana mey io ity volavolan-dalàna ity. Mbola resaka hafa koa anefa ny fandinihana sy ny mety hisian’ny fanitsiana ary ny fandaniana azy. Nisaotra ireo minisitra tao amin’ny governemanta teo aloha moa ny filoha Rajaonarimampianina ary nanizingizina ihany koa fa tsy maintsy misy ny asa arahim-bokatra azo tsapain-tanana avy hatrany ho an’ny ekipa vaovao hanomezana fahafaham-po ny vahoaka Malagasy izay efa tena leon’ny kabary fampanantenana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT