Actualités

Volan’ny CNaPS halain’ny fanjakana Ahiana hiafara amina gidragidra…


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Ho gidragidra ny hakan’ny fanjakana ny volan’ny CNaPS hanaovana Tanà-masoandro araka ny nambaran’ny Filoha Rajoelina,

 raha dinihina amin’ny setriny avy amin’ireo voakasika mivantana. Taorian’ny sendikan'ny mpiasa ao amin'ny FISEMA, tsy nitsitsy ihany koa ny sendika TM (Tolon'ny Mpiasa), mandà ny hikitikitihana ny volan'ny mpiasa sy ny CNaPS, raha vantanina. Miahiahy tanteraka ny TM. Risika be amin’ny anjara andraikitra iantsorohan’ny CNaPS dia ny fiahiana ara-tsosialy io, indrindra fa ho an’ireo sehatra tsy miankina io. Noho ny fikorontanana nateraky ny fitsabahan’ny fahefam-panjakana am-polony taona maro, dia efa nisy ny finiavana hanatsara sy hanova ny satan’ny CNaPS sy ny fiahiana ara-tsosialy, izay efa napetraka any amin’ny Filankevitra Nasionalin’ny Asa na ny CNT. Ny fanjakana dia mitondra ny anjara birikiny ao amin’ny maha mpampiasa azy, fa tsy amin’ny maha fahefam-panjakana. Mikasika tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika hamindra ny tahirim-bolan’ny CNaPS ho ao anatin’ilay “fonds souverain”, dia nanipika ny TM fa ny CNaPS dia “Etablissement Public à caractère Industriel et Commercial” (EPIC), toy ny orinasa misy olona maro ao anatiny sy miankina aminy, ary tantanin’ny filankevi-pitantanana (CA) telo toko (Tripartite), dia ny Fanjakana, Mpampiasa, Mpiasa mifanaraka amin’ny drafitry ny Rafitra Iraisam-Pirenena momba ny Asa (OIT), ary i Madagasikara dia anisan’ny nanasonia izany, ankoatra ny “Convention 144 sur la consultation tripartite” 1979”, hoy ny fanazavan’ny TM. Mpijery ny maha ara-dalàna sy marina ny fanapahan-kevitra raisina no tena anjaran'ny solontenam-panjakàna anaty Filankevi-pitantanana (CA) fa tsy tokony ho mpanapaka sady mpiambina (Juge et Parti), raha halalinina ny tian’ny ankilany hahatongavana. Ny Praiminisitra Ntsay Chirstian raha tsiahivina no efa nitantana ny BIT teto Madagasikara. Manda sy miantso fanarahan-dalàna amin’ny fanapahan-kevitra mety hampidi-kizo ny CNaPS araka izany ny TM satria mety hahita loza amin’io ny mpiasa misotro ronono. Ho henjana ity raharaha ity, raha izao fandehany izao.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT