Actualités

Volana, mararin’ny voa Mila fanampiana maika


  • Zoma 19 Mey 2017

Tsy mifidy taona intsony ny aretin’ny voa eto amintsika. Ny fanaovana transplantation any Inde ihany no hany vahaolana tokana ho an’ireo marary maniry ny hiaina maharitra eto an-tany.

Anisan’ireny i Volana, renim-pianakaviana manan-janaka roa. Efa tamin’ny taona 2011 izy, raha araka ny fanazavany tamin’ny mpanao gazety, omaly, no lasibatr’ity aretina iray ity. Ny taona 2013 izy no nanomboka nanao dialyse ka 500.000 Ar isa-kerinandro no laniny. Ankehitriny efa tena mihareraka izy, antony tsy maintsy hirosoan’ny fianakaviana  amin’ilay fanaovana transplantation azy any Inde. Efa misy ny fianakaviana nanolo-tena ny hanome voa iray ho azy hanoloana ilay simba saingy ny vola sisa no andrasana. 175 tapitrisa Ar no vola ilaina amin’izany, antony hikarakaran’izy ireo sy ny Association de Soladarité Volana (AVS)  ilay fampisehoana goavana iarahana amin’ny Singers of Jesus ny alahady 21 mey ho avy izao etsy amin’ny Dome RTA. Hanomboka amin’ny 3 ora folakandro ny lanonana. 10.000 Ar ny fidirana tsotra ary 15.000 Ar kosa ny famandrihan-toerana. Miankina betsaka amin’ny vola azo avy amin’io fampisehoana io ny hahafahan’ity renim-pianakaviana ity hihazo an’i Inde na tsia. Azo hatao ihany koa ny mandefa fanampiana amin’ireto laharan-tariby ireto ho an’ireo tsy tratra antso monina any amin’ny faritra dia ny 033 11389 26, ny 034 11 389 26 ary ny 032 52 155 46.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT