Mijanona amin’ny famadihana ireo taratasim-bola ho lasa kaontim-bola misoratra amin’ny anaran’ireo kaominina ny andraikitry ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
Asan’ny Tahirimbolam-panjakana kosa ny mandrotsaka any amin’ny kaontin’ny kaominina ireo fanampiana ara-bola na «subvention» avy amin’ny fanjakana foibe, hoy ny tale jeneralin’ny Fitsinjaram-pahefana Rakotonirina Gervais. Ireo trosa tsy voaefa hatramin’ny fahatapahan’ny tohana ara-bola ny taona 2013 moa hatreto no mbola aloan’ny fanjakana ka mahatonga ny maribola kely na betsaka. Misitraka ireo tambiny voalazan’ny lalàna kosa ny kaominina aorian’ny fandoavana ny vary mangatsiaka, araka ny fanamarihana avy amin’ity tompon’andraiki-panjakana ambony ity. Ny sampandraharahan’ny fananantany no afaka milaza mazava kosa ny haben’ny kaominina iray. Azo faritana tsotsotra amin’ireo fokontany na koa ny lisi-pifidianana anefa ny fiadidiana ny tanàna iray, araka ny fanampim-panazavany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.