Nitondra fanazavana teny amin’ny tambajotran-tserasera momba ny fitrandrahana volamena ataon’ny Sinoa ao Soamahamanina,
Distrikan’i Miarinarivo ny solombavambahoaka Ravahimanana Guillaume voafidy tao an-toerana izay manara-maso akaiky ny fizotran’ny tantara, mba ho fitrandrahana ara-dalàna, ka misy tombontsoa mivantana azon’iny Faritra iny.
Nambarany fa “tsy ny Fanjakana velively no nahazoan’ny Société Jiuxing Mines S.A.R.L io tany hotrandrahana io. Ny Tanety Lava S.A.R.L no tompon’ny tany sy ny titra rehetra. Ary araka ny didim-pitondrana laharana faha-33067/2015, milaza ny fampiatoana sy famindrana ny fahazoan-dalana hitrandraka harena ankibon’ny tany, navoakan’ny Minisitera ao amin’ny Fiadidian’ny Filoha momba ny harena ankibon’ny tany sy ny Solika.
Araka ny fangatahana laharana faha-38232 tamin’ny 23 oktobra 2015, napetraky ny Tanety Lava S.A.R.L, tao amin’ny Birao misahana ny Saritany mirakitra ny Harena ankibon’ny Tany, mba hampiantohana, ary hamindrana ny fitrandrahana nataony, ary omena sy afindra amin’ny Jiuxing Mine S.A.R.L. Noho izany dia lasan’io orinasa sinoa io, ny tany hotrandrahana, araka ireo didy ara-panjakana ireo.
Ny tsy nety, hoy ny solombavambahoaka, dia tokony ho nanatona ny Ben’ny Tanàna sy ny mpitondra tao amin’ny Faritra Itasy aloha ny Jiuxing Mine S.A.R.L, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ireo, mampilaza fa manana ireo taratasy ara-panjakana ara-dalàna, eo am-pelatanany, mba mampilaza sy midinidinika savaranonando, fa tsy avy dia hitrandraka.
Nanipika mazava ny depiote Ravahimanana Guillaume fa na dia manana ny «permis d’exploitation» aza ireo Sinoa dia tsy afaka hanomboka ny fitrandrahany mihitsy na oviana na oviana, raha tsy mahazo koa ny «Permis environnemental» avy ao amin’ny ONE, izay Sampandraharaha Nasionaly mikajy ny Tontolo Iainana. Matihanina avokoa ny olona ao, ary faran’izay sarotiny amin’ny fitandrovana ny tontolo Iainana. Manana ny Bokin’Andraikitra mifandraika amin’izany izy, ary fepetra marobe no takiana amin’ny Mpitrandraka, vao mivoaka izany fahazoan-dalana hitrandraka izany, raha hivoaka, ka ao anaty fanajana tanteraka ny Tontolo Iainana. Tsy maintsy jeren’ny Fanjakana koa anefa etsy an-kilany ny tombontsoan’ny Faritra, izany hoe ny marimaritra iraisana, fa ny fikajiana ny tontolo iainana akory tsy sakana velively amin’ny Fampandrosoana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.