Actualités

Volam-panjakana Lany handoavana karama ny 70%


  • Alakamisy 07 Aprily 2016

28 miliara ariary vao afaka mampihodina tsara ny Antenimierandoholona. 15, 470 miliara ariary monja anefa ny tetibola 2016 ho an’ity andrimpanjakana mpanao lalàna ity, hoy ny kestora voalohany Abdirassoul Mourad.

 

Natokana ho an’ny fandaharanasa fampiasam-bola ny 600 tapitrisa ariary amin’izy io. Tsy ampy hanatsarana ireo toeram-piasana miisa 3 Anosikely, Ampefiloha ary Analamahitsy hatreto izany izay ilaina vola hatrany amin’ny 3,5 tapitrisa miliara. Mamoaka vola am-paosy na mitrosa hatreto ireo loholona satria vao ny 4%-n’ny tetibola no voaray tamin’ny telo volana voalohany. Mahantra tsy manam-bola moa ny fanjakana Malagasy. Tsara homarihana fa lany handoavana karama ny 70%-n’ny vola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Midika izany fa 30% sisa no hahafahana miasa kanefa io dia tsy hahavita hampandrosoana ny firenena mihitsy fa tsy maintsy mila famatsiam-bola aloha i Madagasikara. Fepetra telo moa no takian’ny Tahirimbola iraisampirenena amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina mialoha ny fivoahan’ny famatsiambola, araka ny fanamarihan’ity mpahay toekarena loholon’i Madagasikara ity. Fahaiza-mitantana, mangarahara ary tany tan-dalàna izay tsy mbola hita soritra eo anivon’ny fitantanan’ny fanjakana malagasy mijoro tao anatin’izay 3 taona izay. 

Ramano F.

Sary fampihaingoana : Abdirassoul Mourad, kestora voalohan’ny Antenimierandoholona

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT