Nifarana omaly ny fikaonan-dohan’ny mpitondra Malagasy sy ny mpamatsy vola nandritra ny roa andro tany Paris, renivohitra Frantsay.
Azo nambara ho nody ventiny ny rano nantsakaina, ho an’ny fanjakana eto amintsika. Raha 3,7 miliara dolara hoenti-manatanteraka tetikasa miisa 50 ambara fa mipaka mivantana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena mantsy no notadiavina dia 6,4 miliara dolara no azo. Efa voatsinjara amina sehatra isan-karazany ny fampiasana io vola io, ary tokony hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka raha araka ny tokony ho izy ny fampiasana azy. Ho an’ny sehatry ny angovo, ohatra, dia mitentina 17 682,860 tapitrisa Ariary na 5 890 tapitrisa dolara, hatokana amin’ny fananganana tobim-pamatsiana herinaratra miisa 18 ka ny 16 miainga amin’ny fitrandrahana rian-drano ary ny 2 amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro. Ny resaka fotodrafitrasa no tena misongadina satria 2 767 768 576 dolara no haompana amin’izany ka ny resaka lalana, izay antoky ny fampandrosoana, ohatra, dia 622 789 444 dolara no natokana ho amin’izany. Anisan’ny voaresaka ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an’i Vohidiala-Ambatondrazaka izay handaniana 134 343 281 dolara. Na dia misy aza ny fampiharana ny fomba fiasa antsoina hoe SNISE (Système National Intégré de Suivi-Evaluation) izay natao hanaraha-maso sy hanaovana tombana amin’ny fiantraikan’ny asa natao amin’ny fiainam-bahoaka, dia mampiahiahy ihany hoe sady mpanatanteraka ve izany ny fanjakana no mpanara-maso ? Iaraha-mahalala rahateo fa ny andrim-panjakana natao hanara-maso ny mpanatanteraka dia toa manaraka am-bokony fotsiny. Ny mpamatsy vola ihany koa anefa toa voafitaka amin’ny tatitra diso ataon’ny mpitondra eto amintsika. Raha izay no hipoitra dia vao mainka isika ho fesina eto, ary hataon’ny vahiny tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ho tambin’ny fanomezana vola be ho antsika.
Toky R.
|
SEHATRA |
FAMATSIAM-BOLA (DOLARA) |
|
Angovo |
1 148 535 612 |
|
Fahazoana herinaratra an-drenivohitra sy ambanivohitra |
1 270 514 112 |
|
Tontolo iainana |
635 440 552 |
|
Fanabeazana sy fampianarana |
922 567 635 |
|
Fahasalamana |
1 298 219 773 |
|
Fanjarin-tsakafo |
397 660 000 |
|
Teknolojian'ny serasera |
120 063 513 |
|
Fiarovana ara-tsosialy |
505 402 743 |
|
Fotodrafitrasa |
2 767 768 576 |
|
Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra |
2 984 341 439 |
|
Rano, fidiovana sy fahadiovana |
647 201 527 |
|
Fahaiza-mitantana, fampandrosoana ny andrim-panjakana, zon'olombelona, |
82 924 000 |
|
Harena ankibon'ny tany sy akoran'afo |
22 590 000 |
|
Sehatra tsy miankina, Varotra, Indostria |
491 904 053 |
|
TOTALINY |
8 539 018 971 |
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.