Actualités

Vola sandoka tao Antsirabe 1.180.000 Ar saika hamidy solika


  • Talata 21 Oktobra 2014

Mbola miverina indray ny vola sandoka ao Vakinankaratra ary tamin’ny endrika hafa indray izany satria solika no saika hovidiana taminy raha omby no tratra farany teto. Vola sandoka mitentina 1.180.000

Ariary indray mantsy no saron’ny Zandary tao Andranomadio ny alarobia 15 oktobra lasa teo, izay nokasaina hamidy solika teo amin’ny Station Total iray tao Antsirabe. Raha ny fanazavana dia nisy fiarabe iray hividy solika tokony ho tamin’ny 11 ora alina teo tamin’io ka nitentina 300.000 Ariary ny solika narotsaka tao anaty fiara. Rehefa vita ny solika dia nanefa ny vola ireo olona tao anaty fiara ka nisaina ny vola ka teo vao hitan’ny mpiasa fa tsy izy avokoa ireo vola rehetra noraisiny. Nitsoaka avy hatrany ilay mpamily raha vao tsikaritry ny mpiasa fa tsy izy ny vola ka lehilahy iray niaraka taminy no tratran’ny mpiambina izay niaingan’ny ny fanadihadiana ka nisamborana ireo olona niaraka taminy izay tany Betafo no noraisin’ny mpitandro filaminana. Rehefa nosavaina dia mbola nahatrarana ambim-bola hafa tany amin’izy ireo, ka nitotaly io 1.180.000 Ariary ny vola sandoka tratra tany amin’ireo olona tratra. Efa avo lenta ny teknolojia nampiasaina tamin’ity vola sandoka ity satria efa tazana ao, anatiny ny sary lohan’omby sy ilay mangirana eo amin’ny sisiny ka tena sarotra ny namantarana azy raha maimaika sy maizimaizina.Ny laharan’ny vola ihany koa no tena nahafatarana azy satria niisa 40 no nitovy laharana,39 hafa nitovy ihany koa ary 38 ihany nitovy laharana. Iray kosa no laharana hafa. Nambaran’ny lehiben’ny Brigady Andranomadio, ny Adjidà sefo Rakotondrafaramalala Jean Landry fa mila mailo ny mponina sy ny mpivarotra rehefa maizimaizina fa amin’izany no anapariahan’ny olona ny vola sandoka toy itony ka raha misy tranga dia tokony hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana. Fantatra moa fa olona avy tany Betafo tany ireto voasambotra ireto izay voakilasy ho nikasa hanaparitaka azy ity tamin’ny fomba hafakely teto Antsirabe ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT