Actualités

Vola sandoka tany Mahajanga Olona 9 niakatra fampanoavana omaly


  • Sabotsy 23 Aprily 2016

Nahatrarana vola sandoka indray tany Mahajanga, araka ny tatitry ny mpitandro ny filaminana omaly

 

. Olona miisa telo efa havanana amin’izany no tratra tany Mahajanga ny talata 12 aprily lasa teo. Niampy enina izy ireo taorian’ny fiaraha-miasan’ny mpitandro ny filaminana eto Antananarivo sy ny banky foibe any Mahajanga ka tafakatra sivy. Ilay iray tratra teny Androndrakely Antananarivo tafiditra tao anatin’ny vovon’ny mpitandro ny filaminana  no namoaka ny marina rehetra mikasika izany ary samy niaiky izy ireo nandritra ny famotorana natao azy fa tena mpanao vola sandoka tokoa.  Nokasaina haparitaka teto Antananarivo ireo vola sandoka ireo. Tratra niaraka tamin’ireo telolahy voalohany nandritra izany ny solosaina miisa roa, ny imprimante roa niaraka tamina matrice. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo taorian’ny fampahafantarana ny zava-misy tamin’ny mpanao gazety. Marihina fa teny Ambohipo ihany koa no nahatrarana ireo mpanao vola sandoka sasany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT