Miasa ny vola rehefa vanim-potoan’ny fifidianana toy izao ary tsy azo ihodivirana.
Samy hanao izay ho afany tokoa ireo mpirotsaka hofidiana. Saingy tsy azo odian-tsy hita fa nihamaro ny vola sandoka tato ho ato. Raha tsiahivina, nisy tranga toy izao tamin’ ny taon-dasa, nandritra ny fifidianana filoham-pirenena. Vola sandoka 20 000 ariary indray no miparitaka ary misy faritra no voakasika. Maninona moa no miparitaka indray ireo vola sandoka ao anatin’ny vanim-potoam-pifidianana ? Fanakorontanana saim-bahoaka ve sa sanatria io mihitsy no ampiasaina hanaovana propagandy ? Tsy ny tontolon’ny politika ihany anefa no mety hikorontana fa na eo amin’ny sehatry ny toekarena amin’ny fiparitahan’ny vola sandoka. Ireo irakiraka na nampiasa ny vola sandoka no tratra hatreto. Eo ihany koa ireo ambara fa mpiasa mpanonta azy, fa tsy mbola fantatra mazava ny atidoha sy lohandohan’ny mpisorona.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.