Actualités

Vola sandoka 10,8 tapitrisa Ariary Tratran’ny polisy tany Soanierana Ivongo


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2015

Efa tena ao anatin’ny taom-piotazana jirofo tanteraka ny mponina ao Analanjirofo ankehitriny, anisan’izany ny ao amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo izay tena ahitana ireo jirofo tsara ihany koa.

 

 Any an-toerana dia manodidina ny 25.000 hatramin’ny 30.000 ariary ny kilao amin’ny jirofo izao. Manararaotra izany koa ireo jiolahy mpanao vola sandoka amin’ny fividianana ny vokatra, anisan’izany Ramasinandro Maurice Flevis sy Maurice Laurent, izay nahatrarana vola sandoka amin’ny 10.000 ariary mitentina 10,8 tapitrisa ariary. Raha ny fanazavan’ny kaomisera any Soanierana Ivongo, officier Tsimba Angelo Felix, mba tsy ahitan’ny olona ny vola sandoka entin’izy ireo dia vao maraina be sy ny harivariva maizimaizina izy ireo no tonga mividy jirofo. Efa nahazo jirofo 20kg tao amin’ny fokontany Andilakely izy roa lahy. Ilay nividianany jirofo no nahita ilay vola sandoka raha teo am-panisana izany nony tonga tany an-tranony, ka nanomboka teo ny fikarohana dia izao tratra izao ihany ny alakamisy lasa teo tokony tamin’ny 6ora sy sasany hariva.

 

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka

 

Efa raikitra ny daroka sy ny fikasana hanao fitsaram-bahoaka amin’ny alalan’ny fikapakapana azy roa lahy amin’ny antsy. Tonga ara-potoana anefa ny polisy ka voasambotra velona izy roa lahy, ary azo nanaovana fanadihadiana tsara nahalalana ny naman’izy ireo sy ny niavian’ireto vola sandoka maro be. Ny fantatra aloha, araka ny fanazavana azo, dia tsy izy roa lahy ihany no tonga ao Soanierana Ivongo miaraka amin’ny vola sandoka hodiovina amin’ny fividianana jirofo, fa maromaro izy ireo avy ao Toamasina tonga any. Ny sabotsy teo no niakatra fitsarana ity raharaha vola sandoka ity, ka miandry fitsarana am-ponja izy roa lahy. Heloka be vava mampigadra asa an-terivozona mandra-pahafaty ny fanaovana vola sandoka, araka ny lalàna famaizana Malagasy.


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT