Actualités

Vola Malagasy “Tsy misy dikany”, hoy Ralita


  • Talata 18 Oktobra 2016

Tsy ao mihitsy ny tontolon’ny fanjifana eto amintsika, hoy ny filohan’ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa, Rakotorova Rabenintsara na Ralita, raha naneho ny heviny mikasika izany tetsy Anosy, omaly.


 Noho ny volantsika tsy misy dikany ny antony. Ahiana hisy 20.000 ariary tokana raha izao no mitohy. Tokony hojeren’ny fitondram-panjakana ny mikasika ny politika mikasika ny sandam-bola eto amintsika. Nanoloana ny tsikera izay milaza fa ny tenany irery moa no mpikambana ao amin’ny fikambanana tarihiny dia nilaza izy fa misy rafitra mazava ny fikambanany ary efa mahatratra 15.000 ny isan’ireo mpikambana manerana ny nosy fa ny eto Antananarivo no tsy mihetsika indrindra. Ao Mahajanga, hoy izy, na resaka mizana fotsiny aza dia efa misy fidinana ifotony fijerena ny zava-misy. Toy izany koa ny any amin’ireo faritra hafa. Ny nampalahelo dia ny tsy fahampian’ny fanentanana tao Farafangana ka nahatonga ny mponina hanaotao foana nandoro ny Jirama tany an-toerana. Ny Jirama koa anefa tokony hanazava hoe tsy naloan’ny fanjakana ny volan-dry zareo 4.000 lavitrisa ka tokony handoa io vola io aloha ny fanjakana vao hanome tsiny azy.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT