Teo ampikirakirana ny vola halefa amin’ny finday mihitsy no nanao be fiavy tao anaty trano fandefasana vola amin’ny alalan’ny finday ireny, ireo jiolahy roa mirongo basy sady naka an-keriny ny vola rehetra, mitentina teo amin’ny roa hetsy sy iray tapitrisa Ariary
Tsy nisy nahetsika ny tao anaty trano. Nitsoaka nanao taingin-droa tamin’ny moto ireo jiolahy taorian’izay. Omaly maraina no nitranga ny fanafihana tao Mahajanga Be. Raha ny fitantaran’ilay nairam-boina dia nijanona teo amin’ny toerana manakaiky ny tranombarotra ireo jiolahy ireo ary nilaza ny handefa vola ihany koa. Raha vao namoaka vola sy finday ilay ramatoa tompon’ilay tranombarotra dia nambanan’ireo mpanao ratsy tamin’ny basy avy hatrany. Tsy nasahy namaly ireo ramatoa roa nandefa vola sy mpandray fa nijanona niandry izay ho ataon’ireo jiolahy.Niantso ny mpitandro ny fiaminana ireo olona manodidina io tranombarotra mpandefa vola io. Nifanenjehina eran-tananan ireo jiolahy saingy tsy tratra. Mitohy hatrany anefa ny fikarohana azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.