Actualités

Vokatry ny rivodoza sy ny kere Raikitra ny tolo-tanana faobe


  • Zoma 06 Febroary 2015

Ho fanampiana ireo traboina vokatry ny rivodoza Chedza sy ireo lasibatry ny kere any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny dia hanatanteraka tolo-tanana faobe ny Malagasy rehetra ny sabotsy 7 Febroary ho avy izao

 

. Etsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy no hanatanterahana izany ho antsika eto an-drenivohitra, raha eny amin’ny masoivohon’ny BNGRC kosa izany ho an’ny any amin’ny Faritra. Tsy an-tery ny hetsika fa an-tsitrapo. Azo raisina avokoa izay vokatry ny fon’ny tsirairay noho izany toy ny vola, ny sakafo, ny fitafiana… Tanjona moa ny hahafahan’ny Malagasy rehetra mandray anjara miaraka amin’ny fitondrana ny voin-kava-mahatratra ho an’ireo namana mpiray tanindrazana rehetra. Ny governemanta moa no hitarika ny hetsika ka ho an’ireo mpanao gazety dia omaly folakandro no nanatanterahana izany teny amin’ny minisiteran’ny fifandraisana sy ny andrim-panjakana eny Nanisana. Hanomboka amin’ny 8 ora maraina ny hetsika  rahampitso sabotsy ho an’ny rehetra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT