Actualités

Vokatry ny herisetra natao azy ireo Zazavavy kely roa nandositra


  • Alakamisy 02 Oktobra 2014

Nahatsiaro natao ankilabao sy tsy norarahaina ary voalatsa lava ireto ankizy vavy kely roa 10 taona sy 8taona izay nipetraka tamin’ny renibeny any amin’ny kaominina Ambatosoratra distrikan’Ambatondrazaka, ka nanapa-kevitra ny hody etsy Ankadimbahoaka Antananarivo.

. Ny Alatsinainy folakandro teo izy ireo no niala tany Ambatosoratra niaraka tamin’ny vola 10.000 ariary. Zandary sendra nandalo no nahatsikaritra azy roa vavy teo amin’ny tobim-piantsonan’ny taksibrosy ao Ambalabako. Rehefa nohadihadiana izy ireo dia nilaza mazava fa ho any Antananarivo hody any amin’ny reniny. Ny hariva io ihany dia naterina tany amin’ny sampandraharahan’ny minisiteran’ny mponina Ambatondrazaka izy mirahavavy ka ny tompon’andraikitra tao no nikarakara azy ireo. Omaly talata maraina dia tonga tao amin’ny sampandraharahan’ny minisiteran’ny mponina ilay renibeny sy ny fianakavian’izy mirahavavy nitady azy ireo. Rehefa nohadihadiana ilay renibeny dia nilaza fa nandritra ny fotoana tsy naha tao azy tao an-trano no lasa nandositra izy mirahavavy. Rehefa nanontaniana ilay ankizy vavy 10 taona dia nilaza fa ny latsalatsa tao an-trano sy ny fitia mitongilana no tsy zakany ka naleony nandeha. Soa fa nisy mpitandro filaminana nahita azy mirahavavy. Mety ho dia an-tongotra no nieritreretan’izy mirahavavy handehanana aty Iarivo kanefa ny asan-jiolahy izao manao ny ataony. Anatra ho an’ireo ray aman-dreny tsy mandray ny andraikiny ny seho tahak’izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT