Raim-pianakaviana iray tokony ho 59 taona no hitan’ny mpandalo nitsirara sady naratra mafy teo amin’ny lohany omaly tetsy Isotry tokony ho tamin’ny 6ora maraina. Raha ny filazan’ireo nahita dia mety voaendaka izy io satria tsy hita avokoa ny zavatra teny aminy hatramin’ny kirarony
Izy rahateo moa araka ny fitantaran’ny olona iray izay akaiky azy dia tia misotrosotro na dia efa nanaovana fitsaboana manokana aza. Ny alin’ny alarobia teo no efa niala tao amin’ny trano fonenany ilay rangahy ary dia nikoropaka nitady azy ny fianakaviany. Omaly io vao nisy mponina teny amin’ny manodidina tonga nilaza tamin’ny havan’ilay raim-pianakaviana. Avy hatrany dia nikasa hitondra ity rangahy ity eny amin’ny hopitaly ireto havany ka nanakana taksi. Tsy nanaiky anefa ny mponina ka voatery niantso mpamonjy voina tetsy Tsaralalàna izy ireo nitondra azy nankeny amin’ny Hjra. Mitaraina moa ireto fianakavian’ny niharam-boina fa tsy voahaja ny famonjena ireo olona tra-boina izay voalazan’ny lalàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.