Actualités

Vokatra Lojy Fahatelo eran-tany i Madagasikara amin’ny fanondranana


  • Sabotsy 04 Martsa 2017

Lalam-pihariana iray isany mampisongadina an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny lojy na « Black eyes ».

Firenena fahatelo erantany isika amin’ny fanondranana io vokatra io. Tamin’ny taona 2016 fotsiny dia 14 905 taonina ny vokatra lojo naondran’i Madagasikara, ka ny 33%-n’ireo dia namonjy ny tsenan’i India avokoa. Ny Faritr’i Sofia sy Boeny (Ambatoboeny) iny no tena mamokatra lojy, isan-taona saika misy tsenabe nampitondraina ny anaran’io vokatra io. Misy anefa ny olana toy ny fidangan’ny tahan’ny potika lojy rehefa aondrana ka betsaka ny miverim-potsiny. Nisy noho izany ny atrikasa, nokarakaran’ny FACMAIR (Faculté d’Ajustement COMESA Mécanisme d’Appui à l’Intégration Régionale) niaraka tamin’ny Faritra Boeny, nandinihana indrindra ny hanatsarana io seha-pihariana lojy io, miainga any amin’ny famokarana hatrany amin’ny varotra sy fanondranana, notanterahina tao Mahajanga ny faran’ny volana febroary 2017 teo nandraisan’ireo mpisehatra amin’io lalam-pihariana io.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT