Andrasana izay ho fihetsika ataon'ny filoham-pirenena amin'ireo avara-pianarana sy manampahaizana Malagasy maro be fa tsy ny voka-pikarohana ataon'ny Frantsay momba ny harena ankibon'ny tany no mampirehareha.
Nisy izao ilay vondrona mpampianatra mpikaroka efa namoaka ny voka-pikarohany teny amin’ny oniversiten’Antananarivo ny 15 mey lasa teo. Navoitran’izy ireo fa manana harena ankibon’ny tany antsoina hoe “Lithium” akora ampiasaina amin’ny fanamboarana solosaina, finday sy fakantsary i Madagasikara. Manana “Carbone” fanamboarana ireny vatana fiaramanidina (Airbus A380) sy fiarakodia ihany koa, ary tsy izay ihany tena betsaka ny akora eto be mpitady eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Omena ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany ny vokatry ny fikarohana mba hahafahana mamadika azy ho tetikasa ka hirosoana amin’ny fitrandrahana, hoy ireo mpampianatra. Naniry izy ireo mba ho ny mpandraharaha Malagasy no homena vahana amin’io satria hatrizay dia ireo orinasa goavana vahiny no tena misitraka ny harena ankibon’ny tany eto. Tsy nandrenesam-peo ny fanjakana sy ny filoha. Vao ny vazaha anefa dia Rajoelina mihitsy no nandray ny voka-pikarohana. Tsy atao mahagaga izany satria ny IEM aza tany Frantsa no naseho voalohany, ny voka-pifidianana,… Aiza ho aiza ilay fitiavan-tanindrazana ? Izany ve tsy manaporofo ilay hoe saribakolin’ny Frantsay ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.