Actualités

Voka-dratsin’ny rivodoza 3 maty, 6 tsy hita popoka,13 000 mahery traboina


  • Alatsinainy 23 Janoary 2023

Miisa 3 ireo olona namoy ny ainy, 06 tsy hita popoka, 13 180 ao anatin’ny tokantrano 3443 no traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso hatramin’ny omaly 22 janoary tamin’ny 8ora alina,

araka ny tatitra ofisialy navoakan’ny Birao Nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC. Tato amin’ny faritra Analamanga, Analanjiro, Betsiboka, Boeny, Diana, SAVA, SoFia, ary Vatovavy no nahitana izany. Miisa 7 240 avy amin’ny tokantrano 1 759 no nafindra toerana vonjimaika tamin’ireo traboina. Miisa 23 ireo toerana fandraisana vonjimaika ireo traboina na « Site d'hébergement », araka ny tatitra hatrany. Ny lafiny maha olona izay, fa fahavoazana teo amin’ireo toeram-ponenana dia nahatratra 3 985 ireo dibo-drano, fianarana 85 rava tanteraka. Ara-pambolena, tanimbary 600 hekitara no dobo-drano tany amin’ny Faritra Analanjirofo. Tapaka tanteraka ihany koa lalana mampitohy an Anosibe an'Ala sy Moramanga noho ny fiakaran'ny rano. Nahitana Fahatapahana ny lalana eo anelanelan'ny Antongomena Bevary sy Fokontany BEMOKATRA ao amin'ny Distrikan Mitsinjo. Tapaka ny lalana eo anelanelan'ny Soalala sy Katsepy RNT 19. Tapaka ny Lalana eo anelanelan’ny Vavatenina sy Miarinarivo nohon’ny fiakaran’ny rano tao amin’ny reniranon’ny SARANINDONA . Tapaka ihany koa ny teo anelanelan’ny Vavatenina sy Ambatoharanana Lalana nohon’ny fiakaran’ny rano tao amin’ny reniranon’ny MANINGORY . Efa niverina amin'ny laoniny kosa ny lalana : RN2 : PK69 sy PK 71+200; RN4, RN 22. Tetsy ankilany, nanamafy ny fampitandremana amin’ny habetsaky ny rotsak’orana indrindra ho an’ireo faritra isan’ny lasibatra voatanisa etsy ambony ihany koa ny Sampana mpamantatra ny mety toetry ny andro. Tahaka izany ihany koa ny hamafin’ny rivotra. Mitoetra hatramin’ny alakamisy 26 janoary ny fampitandremana ka mila mailo ny rehetra mba tsy ho tampohin’ny loza.
Toky R .
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT