Tafakatra 39 isa ireo olona namoy ny ainy hatramin’ny omaly vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Chezda manerana ny Nosy.
Ankoatra izay dia maherin’ny 180.000 ihany koa ireo traboina, Tarehimarika vonjimaika ihany anefa no navoakan’ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary. Faritra miisa dimy no tena voa mafy dia Analamanga, Menabe, Bongalava, Atsimo Atsinanana ary Vatovavy Fitovinany. Tany amin’ity Distrika farany ity no maro olona namoy ny ainy indrindra satria dia nahatratra fito izany raha enina tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ary dimy teto amin’ny faritra Analamanga. Mbola tany amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ihany koa no maro traboina indrindra satria dia mahatratra 52.936 izany raha tany Bongolava no vitsy indrindra. Ny tranolay hametrahana ireo traboina no mbola tena olana hatreto satria tsy maharaka raha araka ny fanazavan’ny BNGRC hatrany. Tonga nanolotra fanampiana teny amin’ny foibeny eny Antanimora ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara omaly nahitana fanitso miisa 200, fotsimbary 20 taonina ary voamaina 500 kg. Mitentim-bidy 40 tapitrisa Ar ireo fanampiana ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.