Actualités

Voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro Tena voa mafy i Madagasikara


  • Sabotsy 22 Oktobra 2016

Na dia tafiditra ao anatin’ireo firenena mpanapariaka etona manempotra faran’ny kely indrindra aza i Madagasikara dia laharana faha-3 kosa amin’ireo firenena mora iharan’ny fivadibadihan’ny toetr’andro, izany hoe anisan’ireo firenena tena voa mafy tokoa.

Io laharana sy fanamarihana nivoaka avy eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena natao handinihana ny mikasika ny toetr’andro io dia anisan’ny porofo iray lehibe fa tsy voafehy ireo karazana endrika fanimbana tontolo iainana eto amintsika. Hanana solontena indray moa isika mandritry ny atrikasa iraisam-pirenena mikasika izay resaka fiovaovan’ny toetr’andro izay ny 7 ka hatramin’ny 18 novambra ho avy izao izay hotontosaina any Marrakech. Efa maro ihany koa anefa ny atrikasa sy vina nataon’ny teo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana hikaroham-bahaolana mikasika izay fiovaovan’ny toetr’andro eto amin’ny firenena izay ary dia efa nisy ihany koa ny fampahafantarana ireo karazana fitaovana noheverina fa raitra ahafahana miady amin’izany. Ny farany teo izao dia nisy ny fampahafantarana ny tetikasa fampangatsiahana ny tany izay notontosaina tetsy Ambaranjana ary mbola andrasana hatramin’izao ny fampiharana sy mety ho fiantraikany.

Faralahimatoa  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT