Mampivarahontsana ny zava-miseho raha ny nambaran’ny fikambanana iray misehatra amin’ny fitrandrahana angovo azo havaozina. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa dia zaza efapolo isan’andro no maty manerana an’i Afrika vokatry ny fampiasana arina fandrehitra.
Manoloana io tranga io dia nanamafy izy ireo fa tokony hirosoana ny fampiasana ny ethanol na solika azo avy amin’ny fary eto Madagasikara. Voalaza mantsy fa mbola malalaka tsara ary efa azo trandrahana tsara ity vokatra vaovao ity. Hatreto dia voalaza fa fary 75 000 ha no azo trandrahana eto Madagasikara ary efa politikan’ny minisiteran’ny Indostria ny hananganana orinasa valo mpamokatra solika azo avy amin’ity zava-maniry ity isaky ny distrika. Efa misy rahateo ihany koa ny lalam-barotra entina hampiroboroboana ity vokatra ity any ivelany. Ankoatra izay dia miaro amin’ny fandripahana ny ala eto amintsika ny fampiasana ny ethanol ka manampy amin’ny firindrana eo amin’ny toetrandro eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.