Actualités

Voina noho ny fihotsahan’ny tany Telo andro aty aoriana vao niteny Rajoelina


  • Alarobia 23 Janoary 2019

Manoloana ny fihotsahan’ny tany teny amin’ny fokontany Tsimialonjafy, Ampamarinana, ny alin’ny sabotsy 19 janoary 2019 lasa teo,

 izay namoizina ain’olona sy nisiana naratra ihany koa, dia namoaka taratasy maneho fiaraha-miory ny fiadidian’ny Repoblika tarihin’ny filoha Andry Rajoelina omaly 22 janoary, telo andro taty aorian’ny loza sy ny voina. Ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina, dia maneho ny fiaraha-miory sy mirary fiononana feno amin’ireo fianakaviana mana-manjo. Mankahery azy ireo ihany koa noho izao voina mianjady izao, ary mirary fahasalamana haingana ho an’ireo mbola an-dalam-pitsaboana, hoy ny voarakitr’ity teny fiaraha-miory ity. Efa nandray andraikitra tamin’ny anaran’ny fitondram-panjakana mahefa ny praministra lehiben’ny governemanta sy ireo minisitra. Andriamatoa filoha kosa dia manamafy ny fisaorana ireo tompon’andraiki-panjakana isan’ambaratongany, ny mpamonjy voina sy ireo olom-pirenena rehetra niara-nisalahy nandritra ny fitrangan’ny loza, hoy ny fanambarana. Ao anatin’ny vanim-potoana sarotra ny firenena amin’izao fotoam-pahavaratra izao satria maro ireo traboina, tsy vitsy ny lalana tapaka, mikatso ny asa fihariana samihafa, misondrotra ny vidin-javatra, ka inoana fa hisy ny vahaolana mahomby sy maharitra avy amin’ny fitondram-panjakana mahefa.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT