Actualités

Voina mahazo ny mpiray tanindrazana Nitondra am-bavaka ny firenena ny mpanao gazety


  • Talata 28 Janoary 2020

Nanatanteraka fotoam-pivavahana ho an’ny firenena tetsy amin’ny Katedraly FJKM Analakely ny mpanao gazety omaly talata 27 janoary maraina noho ny voina mahazo ny Malagasy mpiray tanindrazana.

Nitarika ny fanompoam-pivavahana sy nitondra hafatra mafonja nandritra io fotoana io ny mpitandrina Rakotondramanana Benjamina izay naneho fa manana anjara toerana lehibe eto amin’ny firenena ny mpanao gazety, ka tokony hanome vaovao marina sy hampianatra ny vahoaka amin’ny zavatra tsara. « Finiavana ilay izy hoe manana andraikitra ihany koa ny mpanao gazety fa tsy hitatitra dia hitsikera dia hanakiana na hitehaka sy handoka foana fotsiny, fa hampiseho maodely ihany koa na eo anatrehan’ny fitondram-panjakana na ny vahoaka hizarana ny vaovao isan’andro. Faniriana moa ny hanao « téléthon » fa tsy afa-nanao, ka dia fotoam-pivavahana no natao. Fotoana fohy no nanomanana azy, saingy zava-dehibe ny firaisankina tiana navoitra tao anatin’ilay izy”, hoy ny mpanao gazety Princie Ramanantsoavina anisan’ny niaingan’ny tsirin-kevitra tamin’ity hetsika ity. « Olom-pirenena ny mpanao gazety, ary manana adidy isika satria miaina any anaty fiarahamonina. Mitondra am-bavaka ireo traboina,… Faniriana araka ny nataon’ireo nanomana ny fotoam-bavaka dia ny hanao tolo-tanana, kanefa nisy ilay fanambarana avy amin’ny minisiteran’ny atitany hoe: tsy mahazo manao fa izy ireo no hanao izany, dia “andao fa lalana”. Karazana fientanam-pon’ny rehetra mihitsy no lasa mangatsiaka kanefa misy ilay voin-kava- mahatratra. Tsofina rano izy ireo hahavita fa tena samihafa ny fandraisan’ny olona ilay fanambarana, hoy kosa ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) Atoa Gérard Rakotonirina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT