Nahazo vahana ny fanaovan’ireo tanora firaisana ara-nofo aloha loatra ka ny tanora tsy ampy taona no matetika miroso amin’izany ka miafara amin’ny fanalan-jaza. Manoloana izay dia noraisin’ny FISA ny fandresen-dahatra ireo tanora mba ialana amin’io tranga izay mety hahafaty azy ireo io dia ny fitondrana vohoka aloha loatra ho an’ireo vehivavy sy ny firaisana ara-nofo.
Ny tanora vehivavy no tena nomena vahana tamin’ity fandresen-dahatra narahina dinika ity amin’ny mety hirosoana amin’io vohoka aloha loatra io. Efa maro tokoa no matin’io vohoka aloha loatra io teto Madagasikara. Anisan’ny tokony hataon’ireo tanora ny mampilaza ny ray aman-dreny ny amin’ny tokony hirosoana amin’io firaisana ara-nofo io na tsia. Etsy an-daniny dia ny fomba aman-panaon’ny Malagasy sasany ny mampirisika ny zaza tsy hanao firaisana ara-nofo mialoha ny fotoana mba ialana amin’ny fahamombana. Aorian’ny dinika dia hisy ny fehin-kevitra raisina entina handresen-dahatra ireo tanora namany sy ireo ray aman-dreny eo anivon’ny fiarahamonina mba ialana amin’io aretina mahafaty ho an’ny vehivavy io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.