Actualités

Vohipeno Maizim-pito ny tanŕna


  • Zoma 26 Febroary 2016

Na miara-mirehitra ny jiro na samy tsy misy manana. Nafampana ny toe-draharaha tao Vohipeno omaly manoloana ny delestazy.

 

Adiny roa isan’andro no mba misy jiro mandeha amin’izay tsy ny tanàna rehetra no misitraka izany fa kartie vitsivitsy, ny rano tsy mandeha. Efa herinandro izao no niainan’ny mponina ao an-toerana io fijaliana io. Nirohotra teny amin’ny biraon’ny Jirama ny mponina, omaly, nitaky ny hamahana malaky ny olana. Gropy mpihary herinaratra iray, manana tanjaka 32kW, amin’ny efatra ananan’ny Jirama no hany mandeha fa simba avokoa. Ny gropy iray, voalazan’ny loharanom-baovao fa tsy avotra intsony, ny roa kosa miandry piesy ny fanamboarana azy. Tsy maharaka ny filan’i Vohipeno anefa ny herinaratra vokarin’ny gropy kely hany mba mandeha. Tezitra ny olona, aleo samy tsy manana fa tsy misy fiangarana. Vokany, maizin-kitroka tanteraka ny tanàna nanomboka omaly.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT