Actualités

Vohémar Tafakatra 800 Ariary ny kapoakam-bary


  • Alakamisy 21 Aprily 2016

Miantraika amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro ny andro ratsy nentin’ny rivodoza Fantala tany amin’iny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy iny.

 

 Tao Vohémar izao dia niakatra tampoka ho 800 Ariary ny kapoakam-bary nanomboka omaly maraina, raha mbola 600 Ariary izany ny talata teo. Sarotra anefa vao mahita vary ao Vohémar io omaly io. Raha araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpivarobary dia vokatry ny toetr'andro ratsy dia tsy niasa ireo sambokely mpitatitra vary. Ny lalam-pirenena faha-5A, Ambilobe-Vohémar rahateo ratsy dia ratsy tsy azon’ny fiara diavina amin’izao.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT