Hosamborina rahampitso zoma amin’ny 2 ora folakandro ilay voay tokana nampisahotaka ny mponina etsy Madera Namontana.
Fantatra izany omaly nandritra ny fanazavana nentin’ny lehiben’ny Boriborintany fahefatra, Ratsisetraina David Aimée izay miadidy iny faritra iny. Nambarany fa misy tokoa io voay mivelona ao anatin’ny tsikafona io, saingy tokana ihany. Diso ny filazana fa olona roa no efa matin’ity voay ity, hoy izy. Ny zava-misy dia olona iray naka tsikafona, efa nampitandreman’ny mponina, no tsy nino ka sendra azy. Na izany aza, tsy nahita maso io voay io ilay olona, fa ilay zavatra nikoropaka tao anaty tsikafona no reny ka nandratra ny tongony. Alefa avy hatrany amin’ny toerana tokony hisy azy ity voay ity ho fiarovana ny ain’ny mponina. Raha ny fanazavan’ireo mponina eny an-toerana moa dia mety voay nompian’olona tsy fantatra teny amin’ny manodidina ihany izy io ary nariany eny Madera Namontana. Be tsikafona rahateo iny toerana iny, azon’ny voay hivelomana tsara.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.