Nahoana no mbola velona i Rais Khan Mohidinkhan kanefa efa nanaovana fanambarana taty Madagasikara fa maty, miaraka amin'ny taratasim-pahafatesana na « acte de décès » ara-dalàna? Hoy ny manam-pahefana Maorisianina.
Nisy ny fitarainana napetrany tao amin'ny Fitsarana Tampony tany Maorisy tamin'ny 3 aprily 2019, nangatahan’ity Maorisianina 39 taona ny fanekena azy ho isan’ny velona indray. Araka ny taratasy fanamarinam-pahafatesana izay efa nahazo ny dika mitovy anefa, dia maty ny 22 Jona, 2014, roa volana taorian'ny nahatongavany teto Madagasikara i Rais Khan Mohidinkhan. Misy mihitsy ny fanamarihana avy amin’ny Dokotera mitondra ny anarana Ranarison Serge tao amin’ny Hopitalin’Anjozorobe, fa i Mohidinkhan Rais Khan Mohidinkhan teraka tamin'ny 04 Martsa 1980, dia maty tamin’ny 22 Jona 2014 tao an-toerana tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro ka fahafatesana voajanahary noho ny aretina tazomoka, hoy ny tatitry ny fampahalalam-baovao Maorisianina. Nandraharaha teto Madagasikara nisehatra tamina fampidirana henan'omby sy ny hazan-dranomasina izy. Voalaza fa lasibatry ny resaka halatra anefa izy, ka fongana avokoa ny fananany rehetra, anisan'izany ny vola hatramin’ny pasipaorony. Tsy afa-niala teto Madagasikara mandra-pahitana vahaolana hahazoana taratasy mamela azy hiverina any Maorisy ary tsy nisy marika naneho ny mbola fahavelomany. Tsy afaka nanolo ny pasipaorony nahafahany nanao ny fandraharahany, raha ny nambarany. Niverina nody izy tamin'ny Jona 2018. Hafahafa ity taratasim-pahafatesana ity, izay heverina fa izy ihany no nampanao azy. Ahiana ny kolikoly avo lenta tao anatin’ny raharaha, indrindra fa ilay resaka taratasim-pahafatesana. Hiakatra fitsarana ao Maorisy ny 16 mey izao ity raharaha ity.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.