Actualités

Voahangy Rajaonarimampianina Lasa mpiaro ny zon’ny voafonja indray


  • Alarobia 24 Mey 2017

Ilaina ny fanajana ny zon’ny voafonja eto amintsika, hoy ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina omaly raha nitsidika ireo vehivavy voafonja eny Antanimora ny tenany sy ireo delegasiona notarihiny.

 

Ny mba hanampy sy hanolo-tanana azy ireny aza no tokony hatao, hoy  izy fa tsy hanao tsindrio fa lavo. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ireo vehivavy voafonja izany saingy nohararaotin’ny solontenan’izy ireo ihany koa ny nangataka tamin’ny vadin’ny filoha ny mba hanafainganana ny fijerena ny antontan-taratasin’ireo tsy mbola voatsara ankoatra ireo efa nahafeno fepetra ka afaka mamita ny ambin-tsaziny any ivelany. Tsy niandry ela fa teo no ho eo dia namaly ny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza fa handray ny andraikiny izy sy ireo mpiara-miasa aminy. Tonga nanotrona ny vadin’ny filoham-pirenena  ny vadin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. Tsiahivina fa efa mihoatra ny 3.000 isa ireo voafonja tazonina etsy Antanimora amin’izao raha tokony ho 800 isa no antonona ny trano hitazonana azy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT