19 andro izao no sady tsy re feo no tsy hita niseho vahoaka intsony Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina vadin’ny filoham-pirenena. Tsy misy moa ny fampitam-baovao ofisialy fa dia siosion-dresaka fotsiny no re fa lasa any am-pitan-dranomasina, hono, izy.
Ao koa anefa ny resaka mandeha fa hoe tsy dia salama tsara ny tenany ka maka aina kely aloha. Fa misy koa ny milaza fa mety nisy tsy nifanarahany tamin’ingahy filoha angamba, tahaka ny mpivady rehetra ka mety izay no mahatonga azy midongy tsy mety miseho vahoaka io.
Tsy hita popoka
Tsy maintsy mandeha ny resabe sy ny tombantombana satria tsy olonolom-poana izany vadina filohan’ny repoblika izany fa renin’ny Malagasy rehetra ka mahaliana foana ny olona ny momba azy tahaka ny olo-malaza sy mpanao politika. Ny zoma 8 janoary no nahatazanana farany an-dRamatoa Voahangy Rajaonarimampianina teo anilan’ny vadiny nandritra ny lanonana fifampiarahabana teny Iavoloha noho ny taom-baovao 2016. Raha nitodi-doha tany Vakinankaratra nanokatra ny tetikasa vatsin’ankohonana ny filoha dia efa tsy teo anilany Rtoa Voahangy. Nanaitra ny maro ihany koa ny nahita ny filoha nandeha irery tsy nombam-bady raha nanatrika ny fanokafana ny taom-piasan’ny Fjkm teny amin’ny Palais des Sports Mahamasina ny alahady 17 janoary. Tsy tazana teny Sabotsy Namehana koa izy ny 22 janoary raha notokanana ny EPP vao nohavaozina fa simban’ny rivodoza. Nandeha irery ihany koa ny filoham-pirenena raha nitsidika ireo traboina tany Bekoratsaka sy Mampikony ny sabotsy 23 janoary ary niaraha-nahita fa mbola tsy nombam-bady ihany i Hery Rajaonarimampianina raha niangona tao amin’ny Fjkm Ziona Vaovao Mangarivotra tao Mahajanga ny alahady 24 janoary lasa teo. Fa ny tena nanaitra ny maro dia ny tsy nanatrehan’i Voahangy Rajaonarimampianina ny fitokanana ilay ivontoerana natokana ho an’ny vehivavy tetsy Tsimbazaza ny alatsinainy lasa teo na dia izy aza no raiamandreny lohalaharana amin’ny resaka asa sosialy eto amin’ny firenena, mahakasika ny vehivavy rahateo ny resaka eto. Mipetraka ary eto ny fanontaniana : tsy salama tokoa ve sa lasa aiza Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina no tsy hita popoka tahaka izao ? Mba mahalasa fisainana ihany raha samy tsy natrehany avokoa ireo hetsika notanisaina kanefa hatrizay izy dia tsikaritra miara-dia amin’ingahy filoha foana n’aiza n’aiza alehany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.