Actualités

Voahangy Rajaonarimampianina Fa lasa aiza indray ?


  • Alakamisy 23 Martsa 2017

Tsy tazana teny Antanimbarinandriana nandritra ny fitokanana ilay tranomboky sy ny centre Multimedia omaly Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina.

Izy anefa no voatondro tany am-boalohany fa hitokana an’io fotodrafitrasa io tamin’ny 8 martsa saingy nahemotra moa ny fitokanana noho ny andro ratsy, ny asa rahateo tsy vita tsara. Nihevitra ny rehetra omaly teny Antanimbarinandriana fa hoe tara kely kosa angamba ny « 1ère Dame », kinanjo tsy nipoitra mihitsy izy fa dia ny filoham-pirenena tokan-tena no nitarika ny lanonana. Tsy nisy fanampim-panazavana, ireo tandapa nezahana nanangonam-baovao ihany koa tsy nanan-kambara firy omaly hariva. Tsy fantatra mazava na eto an-toerana ihany izy na lasa any ivelany indray matoa tsy tazana teo anilam-badiny teny Antanimbarinandriana. Sa tsy salama ? Maro be ny resaka an-jorony teny an-toerana omaly. Ny mahagaga dia asa sosialy mahakasika fiainan’ny zanaky ny Malagasy dia tsy hita Ramatoa vadin’ny filoham-pirenena izay fantatra fa niasa mafy mba hahatanterahan’io tetikasa iray eny Antanimbarinandriana io. Tsy vao izao fa efa matetika no tsy eo anilan’ny filoha ny andefimamdriny amina fotoan-dehibe sy azo zokajiana hoe manana ny maha izy azy na teto an-drenivohitra na tany amin’ny faritra. Mampieritreritra ihany a !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT